Fampianarana tsara kalitao sy manaraka fenitra
Mametra paika sy lamina mazava tsara ary dingana arahina hanatratrarana ny tanjon’ny fampianarana isaky ny ambaratonga.
Momba ny vondrona NBS
Ny NBS dia fanafohezana ny hoe Nihongo wo Benkyou Shiyou, izay midika hoe ‘Ndao hianatra teny Japoney. Sehatra iray hivondronan’ ireo Malagasy liana sy mankafy ny teny sy kolontsaina Japoney ka maniry ny hianatra sy hahafantatra bebe kokoa mahakasika izany.
Ny niandohany
Ny fitiavanay ny teny sy kolontsaina Japoney, ary ny faniriana hizara izany amin’ny Malagasy no nananganana ny vondrona NBS. Hita sy tsapa fa ilaina ny sehatra ahafahan’ny Malagasy liana sy tia ny teny sy kolontsaina Japoney mianatra ny teny Japoney amin’ny fomba voarafitra, miaraka amin’ny fanazavana amin’ny teny Malagasy mba hanamorana ny fahatakarana sy ny fianarana.


Soatoavina
Mino izahay fa ny fianarana mahomby dia mifototra amin’ny fampianarana tsara kalitao sy ampy, ny fanaraha-maso akaiky, ary fametrahana fitsipika matotra. Ny vondrona NBS dia miezaka manolotra fampianarana teny japoney voalamina sy mifanaraka amin’ny filàn’ny mpianatra.
Mametra paika sy lamina mazava tsara ary dingana arahina hanatratrarana ny tanjon’ny fampianarana isaky ny ambaratonga.
Manohana ny mpianatra arak’izay azo atao mba hahatonga azy ireo hanana fahatokisan-tena ary hahaleo tena amin’ny fianarana.
Manao zava-dehibe ny fitsipika sy fifampitondrana izay isan’ny antoka iray mitondra any amin’ny fahombiazan’ny fampianarana. Izany anefa dia tsy mijanona eo amin’ny fianarana teny Japoney irery ihany fa mitarika ny mpianatra mba ho tompon’andraikitra eo amin’ny sehatra misy azy eo anivon’ny fiarahamonina ihany koa.
Lalana nodiavin'ny vondrona NBS
Toy izao ny tantaran’ny NBS raha fintinina.
Fampianarana teny Japoney an-dakilasy (kilasy manokana isaky ny alarobia hariva) Toerana: SFX Antanimena
Fampianarana teny Japoney an-dakilasy (kilasy manokana alarobia hariva sy sabotsy)
Nanomboka nanao fampianarana ampitain-davitra ny vondrona NBS
Niova ho fampianarana ampitain-davitra tanteraka ny fampianarana rehetra.
Tanjona
Manana andraikitra ary mametraka vina mazava tsara ny vondrona NBS amin’ny hetsika sahaniny.
Mitondra ny anjara biriky ho amin’ny fampiroboroboana sy fanatsarana ny fampianarana teny Japoney ho an’ny Malagasy.Mijoro ho tetezana mampifandray an’i Madagasikara sy Japana indrindra amin’ny alalan’ny fifanakalozana ara-kolontsaina.
Hampisondrotra ny fari-pahaizan’ny Malagasy eo amin’ny fifehezana ny teny Japoney.Hanampy ny mpianatra mba hahita tombotsoa amin’ny fahaizana teny Japoney eo amin’ny fianarana sy asa ary fifanakalozana ara-kolontsaina.Hanampy ireo mpianatra hahazo fanabeazana sy fivoarana tsara amin’ ny maha olona amin’ny alalan’ny fampitana ireo kolontsaina Japoney tsara alain-tahaka.
Ny mpamorona ny vondrona NBS
Iza ireo mpampianatra sady mpamorona ny vondrona?

Mpampianatra Teny Japoney
Certificate in Teaching Japanese as a Foreign Language Master of Arts in International and Advanced Japanese Studies, University of Tsukuba Doctoral Student, University of Tsukuba

Mpampianatra Teny Japoney
Bachelor’s Degree in Arts, Humanities and Social Sciences, Anglophones Studies, English–Japanese Course, University of Antananarivo
'Ndao hianatra teny Japoney
ao amin’ny vondrona NBS
Safidio ny NBS noho ireto antony manokana ireto.
Mpampianatra nandalina manokana ny fampianarana teny Japoney.
Fampianarana amin’ny teny Malagasy ofisialy, mba hahatonga ny lesona ho mora raisina kokoa.
Fampianarana ampitain-davitra ka afaka mianatra na aiza na aiza misy anao.
Fanaraha-maso akaiky ny mpianatra tsirairay, araka ny fivoarany sy ny filàny.