Fomba fidirana

Ahoana ny atao raha
te hianatra teny Japoney

Raha liana amin'ny fianarana teny Japoney ianao dia manasa anao hamaky ny dingana arahina.

Ny dingana

Dingana arahina mba
hahafahana miroso amin'ny fianarana

Mba hampirindra ny fandraisana dia manasa anao hamaky sy hanaraka ireo dingana arahina mba hafahana miroso amin'ny fianarana.

1

Jereo raha misy kilasy misokatra

Jereo ato raha misy fisoratana anarana misokatra

2

Mijery ny ambaratonga

Jereo ato ny ambaratonga mifanaraka aminao

3

Vakio ny fepetra sy fitsipika

Jereo tsara ny fepetra takiana hahafahanao miditra amin'ny ambaratonga tianao hidirana ary ny fitsipika sy fifampitondrana tokony harahina amin'ny fianarana. Rehefa mahafeno ny fepetra takiana ary manaiky sy vonona ny hanaja ny fitsipika ianao dia fenoy ity ary alefaso mba hahazoanao ny saram-pianarana sy ny rohy fisoratana anarana.

4

Misoratra anarana

Jereo ny mailakao fa tokony ho tonga ao ny tari-dalana momba ny fisoratana anarana. Sokafy ary valio ireo fanontaniana ao anatin'ny rohy fisoratana anarana.

5

Miomana amin'ny fianarana

Herinandro alohan'ny hanombohan'ny fampianarana dia hisy mailaka tonga any aminao manome ny rohy hidirana amin'ny fihaonana voalohany sy manazava ny zavatra mila omanina mialoha.

6

Manatrika ny fianarana

Ny andro voalohany dia misy fanazavana ny fizotry ny fampianarana, ny fitsipika sy fifampitondrana ary ny fomba fandoavana ny saram-pianarana

7

Mandoa saram-pianarana

Aorian'ny fihaonana voalohany dia manana herinandro ianao andoavana ny saram-pianarana. Tandremo fa tsy misy fitakiana saram-pianarana mialoha ny fidirana. Raha maharay mailaka mampandoa saram-pianarana alohan'ny fidirana ianao dia mitandrema fa hosoka izany.

Fangatahana fisoratana anarana

Ilaina fenoina

Fanomanana

Inona no tokony ho fantatra?

Ireto manaraka ireto ny zavatra mila fantarina sy homanina mahakasika ny fampianarana.

Fifandraisana aterineto matanjaka

Fampianarana ampitain-davitra ny fampianarana ka mila fifandraisana aterineto matanjaka mba hampirindra ny fianarana.

Fitaovana

Mila fitaovana toy ny solosaina, "tablette" na finday, mba hahafahanao manaraka ny fampianarana mivantana. Mila kahie sy penina ary pensilihazo ihany koa mba hafahanao mandray ny lesona, ary solaitra kely na "tablette" mba hafahanao manao fanazaran-tena.

Fampianarana amin'ny teny Malagay

Teny Malagasy ny teny ampiasaina hanazavana ny lesona.

Fotoana raikitra isan-kerinandro

Ny fampianarana dia efa misy fandaharam-potoana raikitra mandritra ny fotoana efa voafetra hamitana ny ambaratonga ka hamarino tsara raha mifanaraka amin’ny ny fandaharam-potoanao.

Fanadinana JLPT

Ny vondrona dia tsy manome mari-pahaizana manokana fa ny fanadinana JLPT no atao mba hazahoana mari-pahaizana.

Maniry ny hianatra teny Japoney

Jereo raha misy fisoratana anarana misokatra

Ny kilasy iombonana dia misy fisoratana anarana misokatra indroa isan-taona. Ho an'ny kilasy manokana ho an'olon-tokana na vondron'olona kely koa dia azo jerena ato ny ora misokatra.

Hijery ny fisoratana anarana misokatra