Fifandraisana & FAQ

Manorata aminay

Raha misy fanontaniana mahakasika ny vondrona NBS na ny fampianarana, tsikera na soson-kevitra fanatsarana, resaka fiaraha-miasa sy ny sisa dia aza misalasala mifandray aminay.

Fifandraisana

Ny fomba hifandraisana aminay

Mailaka na hafatra miafiana ao amin'ny pejy Facebook an'ny vondrona NBS na WhatsApp na manoratra mivantana etsy ambany.

WhatsApp

QR code hifandraisana amin'ny Fianarana Teny Japone amin'ny WhatsApp

FAQ

Fanontaniana betsaka mpanontany

Mialohan'ny handefasanao ny fanontanianao dia manasa anao hijery ireo fanontaniana betsaka mpanontany miaraka amin'ny valiny feno.

Manome mari-pahaizana ve ianareo?

Ny vondrona dia tsy manome mari-pahaizana manokana fa ny fanadinana JLPT no atao mba hazahoana mari-pahaizana.

Inona ny atao hoe JLPT?

Ny JLPT dia fanafohezana ny hoe Japanese Language Proficiency Test, izay fanadinana ofisialy, manaraka fenitra ary ekena iraisam-pirenena, ampiasaina hanombanana sy hanamarinana ny fahaizana teny Japoney ho an’ireo olona ankoatra ny Japoney.

Aiza ny toerana misy anareo?

Tsy misy toerana manokana izahay fa ampitain-davitra avokoa ny fampianarana rehetra.

Japoney sa Malagasy ny mpampianatra?

Malagasy avokoa ny mpampianatra ato amin’ny vondrona.

Olona firy taona no afaka mianatra?

Mpianatra eny amin’ny lisea na olona 14 taona no miakatra no afaka mianatra.

Mampianatra ankizy kely ve ianareo?

Tsia, tsy mampianatra ankizy kely izahay.

Mampianatra teny sinoa ve ianareo?

Tsia, tsy mampianatra teny Sinoa izahay fa teny Japoney ihany.

Afaka hifandraisana amin’ny sinoa ve ny teny japoney?

Tsia, ny teny Sinoa sy ny teny Japoney dia teny samihafa mihitsy fa tsy mitovy.

Raha efa nianatra ilay ambaratonga kanefa tsy nahavita hatramin’ny farany, misy fihenana ve ny saram-pianarana raha hiverina hianatra?

Tsia, tsy maintsy aloa manontolo ny saram-pianarana ho an’ny ambaratonga safidianao ary tsy maintsy manaraka ny fianarana manontolo. Raha ohatra ianao ka hisafidy ny zavatra ianaranao dia kilasy manokana no mety aminao.

Sarotra be ve ilay teny japoney?

Tsy mora kanefa tsy hoe sarotra be tsy azo ianarana ihany koa anefa. Raha jerena amin’ny ankapobeany dia tena toa sarotra satria eo ny fomba fanoratra izay misy karazany maro, ary koa ny fitsipi-pitenenana izay samy samihafa tanteraka amin’ny teny Malagasy. Raha atomboka amin’ny fianarana ny fototra miaraka amin’ny fampianarana voalamina sy ny fanazaran-teny tsara anefa dia azo atao tsara ny mifehy azy. Ny fahavononana sy fahazotoana ary faharetana no ilaina aminao ary anohana anao sy hitarika anao ny vondrona NBS.

Ahoana ny fandoavana saram-pianarana?

Ny saram-pianarana dia atao indray na indroa mandoa ho an’ny ambaratonga iray. "Mobile money" no andefasana azy.

Rahoviana no mandoa saram-pianarana?

Herinandro ao aorian’ny fiaonana voalohany ny fandoavana ny saram-pianarana manontolo na ny ampahany voalohany raha indroa mandoa. Tsy misy vola aloa ny fisoratana anarana ary tsy misy vola tokony aloa mialohan’ny fihaonana voalohany.

Mpianatra firy no ao anaty kilasy iray?

Mpianatra 7 farafahabetsany ny mpianatra raisina ao anaty kilasy iray. Vitsy dia vitsy ny toerana arak’izany ka mila misoratra anarana mialoha mba ho famandrian-toerana.

Mety ve raha miteny fotsiny no ianarana?

Azo atao fa misy fepetra. Miankina amin’ny olona tsirairay ny fahafahana manao azy ka manasa anao hifandray aminay mivantana.

Raha sendra ny tsy azo anoharana ka tsy maintsy manapaka fianarana dia ahoana?

Raha maharitra ny fanapahana ka na misy antony mazava aza dia mety hiafara amin’ny fampiatoana amin’ny fianarana. Raha indray mandeha na indroa ao anatin’ny volana kosa ka miaraka amin’ny antony mazava dia mila mampilaza mialoha amin’ny mpampianatra fotsiny.

Tsy hitanao ve ny valin’ny fanontanianao?

Soraty eto ambany ny fanontanianao, dia hanampy anao izahay.

Mifandraisa aminay

Hifandray aminay

Fenoy ireo toerana tokony fenoina dia alefaso fa ho valianay. Na mifandraisa aminay amin'ny alalan'ireto: