Kilasy

Misy ambaratonga miisa dimy

Ny kilasy rehetra ato amin’ny vondrona NBS dia ampitain-davitra avokoa ary ampianarina amin’ny teny Malagasy. Ankoatra ny kilasy misokatra ho an’ny rehetra dia manolotra kilasy ho an’olon-tokana na vondron'olona miaraka ihany koa ny vondrona NBS.

Karazana kilasy

Safidio ny kilasy mety aminao

Misy safidy roa: ny kilasy iombonana sy kilasy manokana.

Misokatra ho an’ny rehetra

Kilasy iombonana

Kilasy misokatra ho an’ny rehetra tsy ankanavaka. Manaraka fandaharam-potoana sy fandaharam-pianarana voafaritra araka ny ambaratonga misy anao.

  • Voafetra ho mpianatra 7 fara-fahabetsany
  • Misy fidirana indray mandeha na indroa isan-taona
  • Mety ho an’izay tia mianatra ao anaty vondrona
Jereo ato ny fidirana manaraka
Olona tokana na vondrona

Kilasy manokana

Lesona azo ampifanarahana amin’ny tanjona, ny ambaratonga ary ny fahafahana na ho an’ny olona tokana izany na vondrona iray.

  • Ho an’olona tokana na vondrona kely(olona 2~4)
  • Fandaharam-potoana azo safidiana araka izay mety aminao
  • Mety ho an’izay tia mianatra samirery na miaraka amin’ny vondrona nofidiny manokana.
Jereo ato ny fandaharam-potoana malalaka.

Ambaratonga

Ny antsipirihan'ny ambaratonga tsirairay (Kilasy iombonana)

Ny ambaratonga tsirairay dia efa misy tanjona sy dingana arahina mazava tsara.

Kilasy N5

Ambaratonga Vao Manomboka

Natokana ho an’ireo olona vao hanomboka hianatra teny Japoney mihitsy.

Débutant

Tanjona amin’ny fianarana

Mahay manoratra sy miteny fehezanteny tsotra, mamaky na mihaino resaka tsotra momba ny fiainana andavanandro sy ao an-dakilasy.

Votoatin’ny fianarana

Kana

Mianatra manoratra sy mamaky

Hiragana sy Katakana
Kanji

Mianatra manoratra sy mamaky kanji

~140 isa
Voambolana

Mianatra voambolana

~800 isa
Fitsipi-pitenenana

Mianatra ny fitsipi-pitenenana ho an’ny ambaratonga N5

Fahaiza-manao ampivelarina

MamakyManoratraMihainoMiteny

Rehefa mahavita ity ambaratonga ity ny mpianatra dia afaka manao fanadinana fifindrana ambaratonga ireo izay maniry hanohy ny ambaratonga manaraka.

Fepetra takiana

Ireto avy ny fepetra tokony harahin’ny mpianatra alohan’ny hidirana sy mandritra ny fianarana.

Fepetra momba ny fidirana

  • Ny kilasy N5 dia tsy mitaky fahaizana teny Japoney mialoha ity ambaratonga ity, satria ambaratonga natokana ho an’ireo vao manomboka mianatra mihitsy.
  • Ho an’ny kilasy N4 miakatra kosa dia mitaky mari-pahaizana JLPT an’ny ambaratonga vitanao dia miankina amin’izay ny kilasy afahanao miditra. Raha tsy manana mari-pahaizana JLPT ianao dia tsy maintsy mandalo fitsapam-pahaizana ka miankina amin’ny valin’ izany no mamaritra ny kilasy misy anao.

Fitsipika fototra

  • Mila hajaina ny ora fidirana sy ny fe-potoana voatondro fandefasana ny entimody.
  • Mila arahina amin’ny antsakany sy andavany ny toromarika apetraky ny mpampianatra.
  • Tsy maintsy atao ny entimody rehetra.
  • Tsy azo atao ny manapatapaka fianarana raha tsy misy antony tena tsy azo ialana.

Fomba fiasa

  • Mandray anjara mavitrika mandritra ny fampianarana.
  • Manokana fotoana hanaovana famerenana samirery ankoatra ny ora fianarana.

Toetra tokony hananana

  • Mila manana faharetana sy fahazotoana amin’ny fianarana.
  • Tsy menamenatra miteny na dia mandiso aza.

Fitaovana ilaina

  • Solosaina sy fifandraisana amin’ny aterineto matanjaka.
  • Solaitra kely miaraka amin’ny fitaovam-panoratana mifanaraka aminy.
  • Kahie sy penina sy pensilihazo.

Fampitandremana

  • Raha manapaka matetika ianao indrindra ka tsy misy fampilazana na antony mazava dia mety hiafara amin’ny fampiatoana amin’ny fianarana izany.
  • Tsy mamerina saram-pianarana efa voaloa.
  • Tsy azo afindra amin’olona hafa ny toerana noraisina.
  • Tsy azo atao ny mifindrafindra kilasy raha tsy misy antony manokana eken’ny tompon’andraikitra.
  • Ny saram-pianarana ho an’ny taom-pianarana iray dia tsy azo afindra amin’ny taom-pianarana hafa.

Fanamarihana

  • Rehefa mahavita ambaratonga iray ny mpianatra dia afaka manao fanadinana fifindrana ambaratonga ireo izay maniry hanohy ny ambaratonga manaraka.

Fanontaniana

Ireo fanontaniana matetika mipetraka alohan'ny hisoratana anarana

Afaka mianatra ve na dia mbola tsy mahalala na inona na inona momba ny teny Japoney mihitsy aza?

Eny, afaka. Ny ambaratonga vao manomboka (N5) dia natokana ho an’ny olona vao hanomboka hianatra teny Japoney mihitsy. Noho izany tsy mitaky fahalalana mialoha mahakasika ny teny Japoney.

Misy fampianarana an-dakilasy ve?

Tsia, tsy misy fampianarana an-dakilasy. Fampianarana ampitain-davitra mivantana amin’ ny alalan’ ny antso an-tsara Zoom ihany no misy.

Inona ny teny ampiasaina amin’ ny fanazavana ny lesona?

Teny Malagasy ofisialy no ampiasaina hanazavana ny lesona rehetra.

Hafiriana ny faharetan’ ny fianarana?

Eo amin’ny dimy ka hatramin’ ny sivy volana eo ny faharetan’ ny fianarahana miankina amin’ ny ambaratonga.

Mandray ambaratonga N4 na ambonin’ izay ve?

Eny, mandray fa mitaky mari-pahaizana JLPT an’ ny ambaratonga vitanao. Noho izany raha hiditra ao amin’ ny ambaratonga N4 ianao dia mila manana JLPT N5, raha hiditra ambaratonga N3 dia mila manana JLPT N4, raha hiditra ambaratonga N2 dia mila manana JLPT N3. Raha efa nianatra teny Japoney ianao taloha, nefa mbola tsy manana mari-pahaizana manamarina ny ambaratonga vitanao dia tsy maintsy mandalo fitsapam-pahaizana ka miankina amin’ny valin’ izay no mamaritra ny kilasy misy anao.

Efa nianatra aho taloha dia mety ve raha izay lesona mbola tsy nianarako ihany no atrehiko?

Tsia, tsy maintsy atrehina sy ianarana avokoa ny lesona rehetra ao amin’ny ambaratonga tianao hidirana.

Ahoana ny atao raha hisoratra anarana?

Jereo ato ny dingana arahina mba hahafahanao misoratra anarana amin’ ny fianarana.

Ohatrinona ny saram-pianarana?

Ny saram-pianarana dia miankina amin’ny ambaratonga sy ny karazana kilasy. Alefa mailaka aminao ny saram-pianarana miaraka amin’ ny rohy fisoratana anarana rehefa avy nandefa ny fangatahana hisoratra anarana ianao.

Mbola misalasala?

Tsy azonao antoka izay kilasy hidirana na mila fanazavana fanampiny?

Mifandraisa mivantana aminay ary anontanio izay tsy mazava.

Anontanio izahay